|
|
|
|

Entry (1/4)1  tany
Part of speech  2  noun
Vocabulary  3  Geography: (in general)
Explanations in Malagasy  4  Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly 5  Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka 6  Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina 7  Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana 8  Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo 9  Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [1.1]
Explanations in English  10  earth, soil, land; a country, a nation [1.7]
Explanations in French  11  terre, sol; pays, nation [1.8]12  terre, sol, terrain [1.13]
Compound words 
Zoonyms 
Phytonyms 
Ethnonyms 
Toponyms 
Titles 
Proverbs  82  Proverbs containing the word tany

Entry (2/4)83  tany
Part of speech  84  adverb, past form
Explanations in Malagasy  85  Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [1.1]
Examples  86  na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Elementary words  87  t~, any
Compound words 
Tables and plates  90  All the adverbs

Entry (3/4)91  tany
Part of speech  92  adverb
Explanations in Malagasy  93  Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [1.1]
Tables and plates  94  All the adverbs

Entry (4/4)95  tany
Part of speech  96  noun
Explanations in Malagasy  97  tomany, fitomany, fitomaniana [Bara] [1.78]98  ranomaso, tomany [Sihanaka] [1.78]99  tany, fitomaniana [Tanala] [1.78]100  ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [1.1]
Explanations in French  101  les larmes, les pleurs, les gémissements 102  regret [1.3]103  pleur [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Derivatives 
104  Passive verbs :
Synonyms  105  tañe
Proverbs  106  Proverbs containing the word tany

Anagrams  107  anty, tany

Updated on 2023/06/06