|
|
|
|

Entry1  hevitra
Part of speech  2  noun
Vocabulary  3  Philosophy
Explanations in Malagasy  4  Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany [1.1]
5  Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity [1.1]
6  Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao [1.1]
7  Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io [1.1]
8  Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra [1.1]
9  Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao [1.1]
10  Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona [1.1]
11  Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity [1.1]
12  Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao? [1.1]
13  Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity [1.1]
14  Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao [1.1]
Explanations in English  15  Thought, thinking an idea [1.7]
Explanations in French  16  Pensée, idée [1.3#242, 1.8]
17  Opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion) [1.3]
18  Sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion) [1.3]
19  Jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu) [1.3]
20  Intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence) [1.3]
21  Conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné) [1.3]
22  Sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot) [1.3]
23  Signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole) [1.3]
24  Projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir) [1.3]
25  Expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras) [1.3]
26  Ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt) [1.3]
27  Motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses) [1.3]
28  Raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde) [1.3]
29  Prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail) [1.3]
30  Récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail) [1.3]
31  Valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit) [1.3]
32  Complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire) [1.3]
33  Rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure) [1.3]
34  Proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) [1.3]
Examples  35  Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4#19]
36  Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470#62]
37  Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3#242]
38  Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3#243]
Morphology 
39  Simple :
40  Prefixed :
Derivatives 
41  Active verbs :
42  Passive verbs :
43  Relative verbs :
44  Nouns :
45  Adjectives :
Analogs  46  Torohevitra
Compound words 
Proverbs  78  Proverbs containing the word hevitra

Updated on 2023/03/25