Entry | 1 hevitra |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany 4 Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity 5 Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao 6 Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io 7 Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra 8 Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao 9 Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona 10 Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity 11 Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao? 12 Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity 13 Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao [1.1] |
Explanations in English |
14 thought, thinking an idea [1.7] |
Explanations in French |
15 pensée, idée [1.3#242, 1.8] 16 opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion) 17 sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion) 18 jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu) 19 intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence) 20 conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné) 21 sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot) 22 signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole) 23 projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir) 24 expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras) 25 ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt) 26 motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses) 27 raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde) 28 prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail) 29 récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail) 30 valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit) 31 complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire) 32 rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure) 33 proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) [1.3] |
Examples |
34 Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4#19] 35 Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470#62] 36 Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3#242] 37 Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3#243] |
Vocabulary |
38 Philosophy |
Morphology |
|
Derivatives |
|
Analogs | 46 torohevitra |
Compound words |
|
Proverbs | 78 Proverbs containing the word hevitra |
Updated on 2023/03/25 |