|
|
|
|

Index

Proverbs : anana

Proverb 1Aleo anana ampian-tsetsetra, toy izay matavy arahin-dromoromo. [2.558 #108]
Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toy izay hena matavy ampian-dromoromo. [2.653 #110, 2.974 #65]
Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toy izay matsiro arahin-datsa. [2.558 #20]
French translationMieux vaut le sosoa accompagné de soupirs compatissants que la viande grasse donnée avec mauvaise humeur. [2.974 #65]

Proverb 2Horirika amonosam-panasina, ka ny fonosina lo mbam-ponony. [2.415 #4348]
Horirika amonosam-panasina (na: hena; na: anana): ny fonosin-do, ny mamono lo mbam-ponony. [2.653 #1102]
Horirika amonosam-panasina (na: hena; na: anana): ny fonosin-do, ny mamono lo rahateo. [2.653 #1102]
Horirika amonosana anana, ka ny fonosin-do, ny mamono lo. [2.415 #4348]
Horirika namonosam-panasina : ny fonosin-do, ny mamono lo rahateo. [2.558]
Horirika namonosana anana, ka ho levona mbamin' ny fonosany. [2.415 #4348]
Horirika namonosan-kena, ka miara-devona. [2.415 #4348, 1.1]
Horirika namonosan-kena: ny fonosin-do, ny mamono lo rahateo. [2.165 #1088]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny mpangalatra sy ny mpanafin-kalatra izay tokony homena sazy iray ihany. [1.1]
French translationDes feuilles d' arum, enveloppant de la viande: la chose enveloppée et l' enveloppe pourrissent toutes deux. [2.165]
feuille d'arum dont on enveloppe la viande, et qui brûle avec. [1.3]
Feuilles d' arum et brèdes ou sel qu' elles contiennent : contenant et contenu se consomment ensemble. [2.415 #4348]
On fait cuire et on consomme en même temps, les feuilles d' arum et les brèdes ou la viande qu' elles enveloppent. [2.415 #4348]
French interpretationCoupables et complices méritent le même châtiment. [2.415 #4348]
le coupable et le recéleur mérite le même châtiment. [1.3]
Quand la viande est mise dans la marmite avec les feuilles qui l'enveloppaient et qui sont comestibles, viande et feuilles cuisent et deviennent très tendres: les feuilles même se désagrègent tout à fait. Se dit des voleurs et de leurs complices. [2.165]

Proverb 3Jiolahy homana anana ka homan-tsy fidiny. [2.558 #1564]

Proverb 4Kitoatoa vary amin’ anana: ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay dia mirehoka. [2.415 #2710, 2.653 #1272, 2.165]
Kitoatoa vary amin’ anana: ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay dia misioka. [2.653 #1272]
Kitoatoa vary amin' anana : ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay misiaka. [2.415 #2710]
Kitoatoa vary amin' anana : ao ny sendra hena, fa ny tojo sakay dia mirehoka. [2.558 #1655]
French translationOn pique dans un plat de riz et de légumes: l' un attrapera peut-être de la viande, mais celui qui tombera sur du piment se mettra à cracher. [2.165]
Quand on mange à la fortune du pot, du riz avec des herbes, il y en a qui trouvent de la viande, mais ceux qui trouvent du piment sifflent de dépit. [2.415 #2710]
French interpretationLa fortune ne favorise pas tout le monde. [2.415 #2710]

Proverb 5Manao sotrobe lava tango: mahay atsy, mahay aroa. [1.1]
Sotrobe lava tango, ka mahay atsy mahay aroa. [2.558 #3956]
Sotrobe lava tango : mahay atsy, mahay aroa. [2.653 #2946, 2.974 #282]
Sotrobe lava tango mahay atsy mahay aroana. [2.415 #5039]
Sotrobe lava tango, sady fikapohana alika no fangaroana anana. [1.3]
Sotrobe lava tango: sady mahay atsy no mahay aroa. [1.1]
Sotroben-dRatsiavanga, ka sady fikapohana amboa no fangaroana anana. [2.558 #3958]
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana. [2.165]
Sotroben-dRatsiavanga : sady fikapohana amboa no fangaroana anana. [2.653 #2947]
Malagasy interpretationIlazana ny olona mihatsaravelatsihy izay tsy menatra ny hanaratsy rehefa any amin' ny ilany, ary hanao toy izany koa any amin' ny an-daniny. [1.1]
Manao izay hifankahazoana resaka amin' olona na antokon' olona roa mifanohitra na tsy mitovy hevitra, mihatsaravelatsihy. [1.1]
French translationCuiller à manche : elle peut puiser ici et là. [2.415 #5039]
La grande cuillère de Ratsiavanga: elle sert en même temps à frapper les poules et à brasser les légumes (dans la marmite). [2.165]
La grande cuillère qui a un long manche, sert à frapper les chiens et à mêler les herbes dans la marmite. [1.3]
Louche à long manche, qui atteint à droite et à gauche. [2.974 #282]
French interpretationQui sert à deux fins; qui sait mettre la discorde et aussi à réconcilier. [1.3]
Se disait des gens qui savaient se faire passer amis des deux partis. [2.415]

Proverb 6Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana. [1.1]
Mandany andro ohatra ny lehilahy mitsongo anana. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona manao zavatra tsy fanaony ka very andro fotsiny. [1.1]
Ny fanaovan-draharaha tsy mahazatra dia toy ny fanariana andro noho ny tena tsy mahay ka very fotoana azon' ny fikaviaviana. [1.1]

Proverb 7Manidina am-paniriana toa anana. [2.558 #2107]

Proverb 8Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy. [2.165]
Mba ataovy toy ny anana lahy ka raha maniry tsongoina. [2.558 #2219]
Mba ataovy toy ny anana lany: raha maniry tsongoina. [2.653 #1696]
French translationFaites-lui donc comme aux herbes potagères: s' il croît, coupez-le. [2.165 #1563]

Proverb 9Miangolangola mitenda fararano : ny vary tsy lany, ka anana indray no tadiavina. [2.415 #2722, 2.653 #1724]
Miangolangola toa tenda fararano : ny vary tsy lany, ka anana indray no tadiavina. [2.415 #2722]
French translationDifficile et capricieux comme le gosier à l' automne : le riz n'est pas épuisé et on cherche des herbes ou autre chose. [2.415 #2722]
French interpretationSe disait des gens qui sont difficiles dans la prospérité et qui, une fois déchus, se contentent de ce qu'ils méprisaient autrefois ; à l'automne, il y a beaucoup de riz et on est paresseux à le manger s'il n' y a rien pour l'accompagner ; mais plus tard quand il diminue, on le mange facilement même sans accompagnement. [2.415 #2722]

Proverb 10Mody adala, ohatra ny jiolahy homana anana. [2.653]
Mody adala ohatra ny jiolahy homan' anana. [2.558]

Proverb 11Mpiantsena mitsongo anana an-dalana : ny any an-tsaha aza hidinana, ka ny efa hita maso indray ve no havela ? [2.558]

Proverb 12Natao rapa-dango ny anana an-toriny, ka nitsongo anana an-kady no niafarana! [2.558 #178]

Proverb 13Ny anana aza mahavaly hena. [2.415]
French translationLes brèdes mêmes répondent à la viande et l’accompagnent. [2.415]
Le sens est : soyez reconnaissant. [2.415]

Proverb 14Ny mpanompo toy ny voan' anana, ka raha kasihina poritra. [2.558 #3161]
Ny mpanompo voanana, ka raha kasihina poritra. [2.165 #1550]
Ny mpanompo voanana : raha kasihina, poritra. [2.415 #586, 2.653 #2356]
French translationLes esclaves sont comme des herbes potagères: on les presse, ils s' écrasent. [2.165]
Les esclaves sont comme des morelles : les toucher, c' est les écraser. [2.415 #586]
French interpretationIl fallait traiter les esclaves avec soin, et en général gouverner avec modération. [2.415 #586]

Proverb 15Rafotsibe manandrana anana : tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany. [2.415 #1899, 2.165]
Rafotsibe manandran' anana, tsy milaza ny tsantsony na miteny ny hafiny fa maso mangarika ihany. [2.558]
French translationLa vieille goûtant aux herbes potagères (quelle fait cuire): elle ne dit pas qu' elles sont bonnes, mais ses yeux vous regardent de travers (pour que vous n' y touchiez pas). [2.165 #1971]
Vieille qui goûte des herbes qu' elle a fait cuire : elle ne dit pas que c' est bon, mais ses yeux regardent de travers pour qu' on n' y touche pas. [2.415 #1899]

Proverb 16Raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy. [2.165]
Raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry tsongoina. [2.558 #3626]
French translationSi vous trouvez un sorcier piétinant (sur un tombeau), faites lui comme aux "anana" (nom générique des herbes potagères), quand elles poussent, on les coupe. [2.165]
French interpretationC. à. d. débarrassez-vous de lui. [2.165]

Proverb 17Sendrasendra vary amin' anana. [2.415 #6154]
French translationC' est au hasard qu'on trouve les morceaux de viande dans une marmite où il y a du riz cuit avec des brèdes et de petits morceaux de viande. [2.415]
French interpretationSe disait de ce qui est livré au hasard. [2.415]

Proverb 18Torimasom-baviantitra ka vita am-pitsongoana anana ihany. [2.558 #273]
Torimasom-bavy antitra : vita am-pitsongoana anana ihany. [2.415 #1937]
Torimasom-bavy antitra : vita am-pitsongoana ihany. [2.653]
French translationSomme de vieille : il se passe en ramassant les légumes. [2.415 #1937]
French interpretationElle somnole toujours. [2.415 #1937]

Proverb 19Tsy fetr’ anana fa afero vaky. [1.147 #T162]

Proverb 20Valin' ny anana hena, valin' ny hena anana. [2.415 #894]
French translationLes brèdes appellent la viande, et la viande appelle les brèdes. [2.415 #894]
French interpretationCe proverbe qui dans son sens général signifiait la gratitude et la reconnaissance, était dit par le père, lorsqu' il donnait à un de ses enfants une gratification en plus de sa part, pour le remercier de ses services. [2.415 #894]

Index