|
|
|
|

Entry1  tsiambaratelo
Elementary words  2  tsy, ambara, telo
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  Zavatra afenina tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin' ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko
5  Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary [1.1]
Explanations in French  6  qu'on ne dit pas à trois; secret [1.3]
7  secret [1.5#58]
Examples  8  Mitahiry tsiambaratelo mavesatra ny toerana maro any an' ala. [2.472#]
9  Misaotra anao aho noho ny nanambaranao izany tsiambaratelo izany! [2.270#]
10  Noraisiko ho tsiambaratelo ho ahy samirery hatry ny ela, ry Marizy havako. [2.470#]
Analogs  11  zavatra tsy ambarambara, ankaro-miafina, am-po tsy miloaka, otrikafon' ny fo, am-po tsy ambara, tokantrano tsy ahahaka, tsy atao eo imason' olona, tsy fampitranga vahoaka, an' ny tena samy irery, tahirindresaka, teny mby am-bato

Updated on 2024/04/26