Entry (1/4) | 1 tsangambato |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 [1.1] Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony 4 [1.62] vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony |
Explanations in English |
5 [1.2] a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event 6 [1.7] a monument |
Explanations in French |
7 [1.8] pierre ou monument commémoratif |
Examples |
8 Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon) 9 [2.499] lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy. 10 [2.508] Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy. 11 [2.472] Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara. |
Elementary words | 12 tsangana, vato |
Synonyms | 13 vatolahy |
Titles |
Quotes | 15 Texts mentioning tsangambato |
Illustrations |
|
Entry (2/4) | 17 tsangambato |
Part of speech | 18 noun |
Explanations in Malagasy |
19 [1.1] Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina 20 [1.62] asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina |
Examples |
21 [1.1|1.62] Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka |
Elementary words | 22 tsangambato |
Entry (3/4) | 23 Tsangambato |
Part of speech | 24 name (book title) [Full list] |
Explanations in French |
25 [1.59] Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture. Cet ouvrage est encore inédit. |
Vocabulary |
26 Literature: books |
Author |
27 Randriamaromanana Albert |
Entry (4/4) | 28 Tsangambato |
Part of speech | 29 name (toponym) [Full list] |
Vocabulary |
30 Geography: towns |
Elementary words | 31 tsangana, vato |
Anagrams | 32 Tsangambato, tsangambato |
Updated on 2025/04/19 |
![]() |