85 Raha sendra midona ny voalohan' orana,
86 Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
87 Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
88 Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;
89 Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
90 Kanefa tsy taitran' izany ny fody ;
91 Raha zaza tinaiza no re mitomany,
92 Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;
93 Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
94 Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
95 Raha toa fanekena sendra midona,
96 Kanefa voatifitry ny harika mora ;
97 Raha volana maro no niandry fitia,
98 Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
99 Raha toa efa tony ny rano maria,
100 Ny lakana anefa tsy manim-podiana;
|
101 Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
102 Kanefa ny tiana vao maika matory ;
103 Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
104 Kanefa voavadiky ny andro mahory;
105 Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
106 Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
107 Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
108 Tandindona akory tonga hisolo
109 Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ?
110 Miangatra ve ny lalàn' ny tany ?
111 Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
112 Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
113 Dia miova ny lahatra sy ny safidy
114 Ka lasa ho tompony ilay natakalo.
115 Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
116 Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
117 Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
118 Aleo dia mamoy azy mandrakizay.
|