|
|
|
|

Entry (1/2)1  alatsinainy
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.10] (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy.
4  [1.1] andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy.

Explanations in English  5  [1.2] Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.]
6  [1.7] Monday.
Explanations in French  7  [1.3, 1.8] le lundi.
8  [1.5] lundi.
9  [1.6] [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi]
Explanations in Italian  10  [1.18] lunedi
Explanations in German  11  [1.56] Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den...
Examples  12  [2.470] Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay.
13  [2.472] Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose.
Vocabulary  14  Time
Compound words 
Toponyms 
Hyperonym 
Co-hyponyms 
Tables and plates  27  Measure of Time

Entry (2/2)28  Alatsinainy
Part of speech  29  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  30  [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Explanations in English  31  [1.2] the place of holding Monday's market.
Explanations in French  32  [1.3] noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement.
33  [1.5] marché du lundi.
Vocabulary  34  Geography: towns
Elementary words  35  alatsinainy

Anagrams  36  alatsinainy, Alatsinainy, anasitilian, atsilaninay, nanasitilia

Updated on 2025/04/19