Entry (1/2) | 1 ririnina |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1] |
Explanations in English |
4 winter, the cold and dry season [1.7] |
Explanations in French |
5 l'hiver, la saison froide et sèche [1.8] |
Examples |
6 natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470] 7 Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472] |
Vocabulary |
8 Time 9 Geography: (in general) |
Morphology |
|
Derivatives |
|
Synonyms | 14 main-tany |
Compound words |
|
Phytonyms |
|
Titles |
|
Proverbs | 21 Proverbs containing the word ririnina |
Entry (2/2) | 22 Ririnina |
Elementary words | 23 ririnina |
Part of speech | 24 name (poem title) |
Vocabulary |
25 Literature: poems |
Author |
26 Andrianjatovo Haëckel |
Tables and plates |
27 Full list |
Text |
28 Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga No be sorisory sy maloka lava? Somparan'ny rahona ka tsy mitranga Ny fara-masoandro natao hanazava Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo Ny vony mivelatra, radon'ny saha? Finaokan'ny rivotra fa efa malazo Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha Mangina ny feo mikotaba ao an'ony Fitopa malefaka sy eri-mitaika No reko mahalana, tony dia tony Nankaiza ny riana mahery fiantraika? Ny tampon-tanety nahoana no ngazana? Ny tendron-kavoana no mangadihady? Mahaiza mandinika rehefa mitazana Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady Izany ka izany no tsy andrenesana Ny vazon'ny vorona zatra mihira Matahotra hatsiaka sy fahafatesana Ka lasa mihataka arý an-dakira Izany ka izany no tsy ahitana Aina marisika, vonon-kiasa Ny andro kanefa dia mbola hafana Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa |
Anagrams | 29 Ririnina, ririnina, Ririnina, ririnina |
Updated on 2023/08/12 |