|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 60 Takila 62 ->

[fa] haizana avy ambony. Isa maraina mbola maizimaizina dia mandeha any an-drenirano handro. Raha tonga ao dia miteboka ao anatin’ny rano, misitrika in-telo mivalana ary in-telo miorika, vao mody any an-tanàna. Tamin’ny nivoahany ho any an-drano dia mangina tsara fa rehefa miverina vao manao tsianjery mba hiveran’izay zavatra nianarana anatin’ny fo. Tsianjery efa tsy eran’aina no ataon’ireo mpianatsasy ireo, sady sarotra koa ny fianarana fa tsy ny zavatra momban’ny ody ihany no ianarana, fa ny teny baiko maro samihafa izay ampy hilazan-kevitra koa. Tsy mba fiteny Bara akory ireo fa tenin’ombiasa ihany ka tsy fantatry ny be sy ny maro afa-tsy izay efa nianatra azy. Ireto ary ireo fiteny ireo sy ny dikany :
Akiha : trano, tanàna, faritany, tokotany.
Bilady : tany, dia toy ny tany onenana.
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany