|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 61 Takila 63 ->


Maly : omby, fananana, izay rehetra harena.
Safary : làlana na làlam-be na kely.
Fianaho : zanaka na nateraka na an’olona.
Abiby : andevo, mpanompo, boto.
Haja : vary, hanina dia izay fihinana rehetra.
Haky : Andriamanitra sy izay ambony rehetra.
Sorata : ray aman-dreniny, na izay niteraka na tsy niteraka.
Soratabe : raibe, teny enti-milaza ny zoky olona efa fotsy volo.
Saily : reny na ny niteraka na hafa.
Sailibe : renibe, milaza ny vavy antitra rehetra.
Sailimaro : vahoaka maro rehefa mihoatra ny iray.
Betsimisay : teny enti-milaza ny vehivavy.
Fahatelo : rahalahy, namana, anabavy, etc…

Tsy maintsy vita tsianjery madio tsara ireo teny ireo, fa ho entina mambaka ny fanafody amin' ny andro hanaovana ny raharaha maha ombiasa, rehefa vita fianarana.

Nony efa mahatoky ilay mpampianatra fa hahay ireto mpianany dia mifidy andro anankiray izay heveriny ho andro soa izy hamoahany sy hanomezany azy ny fahefana maha ombiasa.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany