|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 59 Takila 61 ->

 ireo mpianatsasy ireo, ka tsy mahazo mikasika vehivavy akory na dia ny vadiny aza fandrao mahaloto azy ka tsy mampahay mianatra azy. Raha misy tsy mety manaraka izany lalàna izany dia roahin’ny Raevola izy hiala fa tsy mahazo mianatra intsony. Misy zavatra anankiray tsy azo tondroina na hotononina anarana raha tsy vidim-bola, amin’ireo zavatra ianarana ireo dia ny Haky, heveriny ho tokotanin’Andriamanitra io ka tsy azo tononim-potsiny.

Mandritry ny andro ianarana dia ao an-tranon’ny Raevola ao ihany ireo mpianatra no mandry, raha olona saro-piaro iny ny mpampianatra. Tsihy madio tsy mbola nandrian’olona akory no andriany. Hanina madio tsy misy pentinpentina no haniny, ka hena sy ronono no ilaofany.

Fandribe no ataony mba hidinan’ny fa [haizana]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany