Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 111 Takila 113 ->

 ambony hilazako azy aho no tsy manana ranom-bolamena hanoratana azy eto, koa izao ihany no hany teny fohy azoko atao : « Misaotra an’Andriamanitra,

Fa voalohany :

Nomeny fanjakana malemy fanahy anankiray hitaiza sy hikarakara dia ny frantsay, izay fanjakana mpitaiza zaza hatramin’ny ela, ka efa zatra sy mahay tsara hanohana ny malemy, hanangana ny potraka, hananatra ny adala, hisokelika ny tsy mahaleho làlana.

Faharoan’izany indray :

Tsy mba nataon’Andriamanitra « hazakazaka arahin-tosika izahay na tano fa azo » tamin’ny faharatsian’ny fanompoan-tsampy, fandratranan’ny jiolahim-panahy avy tamin’izany. Fa nanirahany samaritana tsara fanahy hitsabo sy hikarakara anay mandrak’izao, dia ny mission norvégienne.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany