Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 110 Takila 112 ->

norvégienne ihany tamin’ny taona 1893 ka tao anatin’ny 3 volana dia noroahinay tsy hitoetra tany.

Nefa hitanay ankehitriny, fa vato tsy nendahan-tanan’olona io vato notoriny tany aminay io ka manorotoro ny sampinay, ka efa hita fa io vato io dia ho tonga tendrombohitra lehibe manerana ny Bara manontolo, fa maromaro ny Bara no efa kristiana, tsy dia vitsy no mpampianatra, mpitori-teny ary evanjelistra. Misy efa pasteur aza. Nefa mbola midodododo ihany ny tovolahy Baralahy hianatra amin'ny kolejin’ny mission norvegienne hampandroso ny tanin-drazany.

Ireto no hiran’ireo izay efa voababon’i Kristy ho azy ireo ankehitriny :

« Izaho fahiny nahery nandà,
Tsy nety nifidy ny soa,
Fa noho ny herin’ny afo sy ra,
Nanaiky ny foko, fa voa ».

7: Raha ny fitondran’Andriamanitra anay no hotanisaina, tsy mahita fiteny


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany