Explanations in Malagasy |
9 Teraka tany Amparafaravola (Ambatondrazaka) tamin'ny 30 Janoary 1922. Nianatra tamin'ny sekolim-panjakana teo an-toerana ary tamin'ny taona 1938, tafiditra tamin'ny Ecoles Régionales. Nanohy fianarana araka izany tany Toamasina (1938-1939), Ambatondrazaka (1940). Nanomana tao amin'ny Ecole Le Myre de Vilers (1941-1942) ny fidirana ho amin'ny Ecole de Médecine ary dia nianatra tao amin'itỳ farany dokoteram-panjakana. Nivezivezy tetsy sy teroa eran'i Madagasikara araka ny fanendrena azo. Sady niasa no nampiana-tena. Afaka Baccalauréat tamin' ny 1957. Izany dia lalana niombana hahazoana ny doctorat en médecine izay vita tao Paris tamin'ny 1961. Ny asa fandidiana izay indray nezahina niaraka tamin'io fianarana tany ivelany io, dia natao nony tafaverina teto an-tanindrazana, ary nanaovana fiofanana sy fandalinana indray tany Strasbourg (1964-1967). Dia napetraka tamin'izay ary nanao ny raharaha fitsaboana tandrifin'ireo fiomanana rehetra ireo. Mbola kely mihitsy dia efa revo tamin' ny famakiana ny lahatsoratra sy boky amin'ny teny malagasy. Folo taona mahery dia efa nahavaky manontolo ny Baiboly sy antotan-gazety "Ny Mpadinika" nisy laharana novoaka nandritra ny roa na telo taona voatambatra ho boky, hita tao an-trano tamin'izany fotoana izany. [2.472]
|