Entry | 1 Rabetsimandranto Fidelis-Justin |
Elementary words | 2 Rabetsimandranto, Fidelis, Justin |
Part of speech | 3 name (anthroponym) |
Explanations in Malagasy |
4 Rabetsimandranto Fidelis-Justin (1907-1966) [1.1] 5 Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966. Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro. Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao. Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe; dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra. Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe: Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny. Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa. Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany. Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony; ny tantara foronina, enina ambin'ny folo; ny tantara fampisehoana, enina; ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ". [2.314] |
Vocabulary |
6 Literature: authors |
Literary works |
7 Adidy nandresy fitiavana Tritriva 8 Andraikiba 9 Antananarivo sy Ambanivohitra 10 Avonavona resim-pitia 11 Diksionera Malagasy : A-Doka 12 Fehezam-boninkazo 13 Fo idealy 14 Fomba amam-panao malagasy : 1887-1962 15 Hady folo sosona 16 Iangivola 17 Kabary vaovao 18 Ny kabary taloha sy ankehitriny 19 Ny voninkazon-dohataona 20 Ralibenja 21 Ranokombe 22 Sahy sedra Mizana tsindrian’ ila 23 Soaniary 24 Sorobaton’ilay jamba 25 Trimofoloalina 26 Vatolahy 27 Votso-droa 28 1958 Hain-teny malagasy |
Tables and plates |
29 Full list |
Updated on 2023/11/20 |