|
|
|
|

Entry (1/2)1  boiboika
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  aretina tsy fantatry ny natolo mazava. Araka ny diksionera Richardson sy Malzac dia aretina miseho amin' ny hoditra izay manjary vay ratsy sy fery mihady izy io. Angamba vay madinidinika mipoipoitra amin' ny hoditra, toy ny miboiboika avy ao anaty, no fiandohany, ka nahazoany ny anarany. -- Ny fitsaboana azy tamin' ny ntaolo dia voatana ao amin' ny Tantaran' Andriana (P. Callet, Boky I, takila 116) ; nefa fantatra fa tsy mahaleo ny fitsaboana ankehitriny ireny. -- Na izany aza, azo ambara fa ny ravi-mangahazo, velarina maro sosona mandrakotra ny fery, solosoloana matetika dia manintona ny nana sy ny ra maloto ao amin' ny vay, ary aorian' izany mampisondrotra faingana ny nofo ao amin' ny fery; azo atao na aiza na aiza io, fa zavatra mora hita. -- Tokony hodinihina ny fivalan-dranon' ny marary sao misy siramamy (fisehoan' aretin-tsiramamy) mantsy ireny vaivay ireny matetika, ary mety ho ela sitranina raha tsy voatsabo koa ity aretina ity. Izany, mbamin' ny fandinihana ny toetry ny fery sy ny toe-tena no ilana hanatonana doktera, na mety hahavonjy maika aza ny ravi-mangahazo. [1.10#B292]
4  Vay, fery maharitra ary manitatra [1.1]
Explanations in English  5  a foul protuberant ulcer. [1.2]
Explanations in French  6  ulcère [1.3#85, 1.54]
7  abcès, tumeur scrofuleuse [1.3#85]
Examples  8  izao kosa no karazan' aretina boiboika. [2.48]
Vocabulary  9  Health
Derivatives 
10  Active verbs :
11  Passive verbs :
Analogs  12  dridra

Entry (2/2)13  boiboika
Root  14  boika
Part of speech  15  noun
Explanations in Malagasy  16  fipoitra sy fivoaka mitsitapitapy, nefa tsy an-kijanona, toy ny rano avy amin' ny loharano na ny vava-tavohangy, ets. [1.10#B293]
17  Fivoahan' ny rano na ny ra mivoaka tsy an-kijanona avy ao anatin' ny tany na ny tena, fifantsitsirana [1.1]
Explanations in English  18  the bubbling or gurgling, as water in a spring. [1.2]
19  a bubbling up; a gurgling sound [1.7]
Explanations in French  20  [duplicatif fréquentatif] [1.3#85]
21  action de jaillir; bruit du jaillissement [1.8]
Derivatives 
22  Active verbs :
23  Passive verbs :
24  Relative verbs :
25  Names :
Synonyms  26  boika, taboika

Updated on 2023/01/20