|
|
|
|

Entry1  anjara
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  Ampahany amin' ny zavatra anankiray nozarazaraina ho an' olona maro,: Tsy hamidiko na oviana na oviana ny anjara lovako tamin' i dada sy neny
4  Zavatra (soa na ratsy) heverina ho avy amin' Andriamanitra ka samy manana ny azy ny olombelona rehetra: Mahaiza mionona fa izao no anjara ~ Izao no anjara ka zakao.
5  (Ny anjara sy ny vintana dia sahalahala ihany satria samy milaza zavatra -- soa na ratsy -- mihatra amin' ny tena, saingy ny anjara, filaza indrindra amin' ny zavatra lehibe: loza, fahafatesana, fanambadiana ... ary heverina ho avy amin' Andriamanitra indrindra, fa ny vintana kosa dia filaza amin' ny zavatra madinidinika: loka, antsapaka ... ary heverina ho avy amin' ny kisendrasendra na ny tonon' andro) [1.1]
Explanations in English  6  a share, a portion, a lot. See zara, and anjady. [1.2]
7  a share; a part of the responsibility; destiny, one's lot [1.7]
Explanations in French  8  destinée [1.3, 1.8, 1.66]
9  part [1.8, 1.13]
10  lot; une part de responsabilité [1.8]
Examples  11  Maty hena ireo niandry izay anjarany / Indrindra ny efa akaiky hampandrosoina [2.576]
12  Matanjaka noho ianareo izahay ka ekeo izay mihatra fa anjaranareo. [2.5]
13  anjarantsika inty, na ho ratsy na ho tsara," hoy izy nanaiky ny zanany mianadahy lehibe, teo am-pibatana an-dRainitoandro marary. [2.470]
14  Na inona na inona ho anjaran' ny asako, dia manantena aho fa tsy ho very io ohatra io (Quelle que soit la destinée de mes travaux, cet exemple, je l'espère, ne sera pas perdu) [Augustin Thierry] [1.66]
Morphology 
15  Simple :
Synonyms  16  vintana
Compound words 
Titles 
Proverbs  22  Proverbs containing the word anjara

Updated on 2023/06/16