|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 65 Takila 67 ->

[sady fa] rany, ka ady mafana ery ny hahavoazana azy.

Rehefa samy nahavita nikapa tsirairay toy izany izy rehetra dia mipetraka ny Raevola hilaza ny kirakteran’ny nahavoa sy ny tsy nahavoa, arak’izay hitany tamin’ireo fanadinana in-droa miatoana ireo. Izy rehetra kosa manodidina azy mipetraka tsara koa. Lazainy amin’izay ny kirakterany ka ny sasany hono hahazo fanana be amin'ny fanaovana ody, ka tokony mbola handroso hianatra bebe kokoa izy amin'ny sisa. Ny sasany, lazainy fa tsy mba hahazo na inona na inona amin'ny ody ka tsy tokony hanasasa-tena hianatra izany amin'ny sisa. Ny sasany kosa rarana mafy mba tsy hila ody hafahafa, fa mila hamosavy.

Raha vita izany dia mitso-drano azy ireo ny Raevola handraisany ny fahefana ho ombiasa. Dia samy


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany