|
|
|
|

Chapters and verses mentioning Lea

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 29.16 And Laban had two daughters: the name of the elder was Leah, and the name of the younger was Rachel. Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran' ny zokiny, ary Rahely no anaran' ny zandriny. Ary nanan-janaka roa vavy Labana; ny zokiny natao hoe Lià, ary ny zandriny natao hoe Rasela. Or Laban avait deux filles : l' aînée s' appelait Léa, et la cadette, Rachel.
Gen / Jen 29.17 Leah was tender eyed; but Rachel was beautiful and well favoured. Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy. Lià dia narary maso, fa Rasela sady tsara bika no tsara tarehy. Les yeux de Léa étaient doux, mais Rachel avait belle tournure et beau visage
...............
Gen / Jen 29.23 And it came to pass in the evening, that he took Leah his daughter, and brought her to him; and he went in unto her. Kanjo nony hariva dia naka an' i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin' i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba. Nony hariva ny andro, dia Lià, zanany vavy, no nalainy, nentiny tao amin' i Jakoba, ka niraisan' i Jakoba. Mais voici qu' au soir il prit sa fille Léa et la conduisit à Jacob; et celui-ci s' unit à elle ! -
Gen / Jen 29.24 And Laban gave unto his daughter Leah Zilpah his maid for an handmaid. Ary nomen' i Labana an' i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy. Ary Zelfa ankizivaviny natolony hanompo an' i Lià zanany vavy. Laban donna sa servante Zilpa comme servante à sa fille Léa. -
Gen / Jen 29.25 And it came to pass, that in the morning, behold, it was Leah: and he said to Laban, What is this thou hast done unto me? did not I serve with thee for Rachel? wherefore then hast thou beguiled me? Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin' i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho? Nony tonga ny maraina, indro fa Lià io, ka hoy Jakoba tamin' i Labana: Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako an-dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho? Le matin arriva, et voilà que c'était Léa ! Jacob dit à Laban : Que m' as-tu fait là ? N' est-ce pas pour Rachel que j' ai servi chez toi ? Pourquoi m' as-tu trompé ?
...............
Gen / Jen 29.28 And Jacob did so, and fulfilled her week: and he gave him Rachel his daughter to wife also. Dia nataon' i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen' i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny. Nataon' i Jakoba izany ary notanterahiny ny herinandron' i Lià, dia nomen' i Labana ho vadiny Rasela, zanany vavy. Jacob fit ainsi : il acheva cette semaine de noces et Laban lui donna sa fille Rachel pour femme. -
...............
Gen / Jen 29.30 And he went in also unto Rachel, and he loved also Rachel more than Leah, and served with him yet seven other years. Dia novadin' i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an' i Labana fito taona indray izy. Ary nankamin' i Rasela koa Jakoba, sady tia azy mihoatra an' i Lià. Ary nanompo tao amin' i Labana fito taona indray izy. Jacob s' unit aussi à Rachel et il aima Rachel plus que Léa; il servit chez son oncle encore sept autres années.
Gen / Jen 29.31 And when the Lord saw that Leah was hated, he opened her womb: but Rachel was barren. Ary rehefa hitan' i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan' anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely. Hitan' ny Tompo fa nankahalaina Lià, ka nampanana anaka azy izy, fa Rasela kosa momba. Yahvé vit que Léa n'était pas aimée et il la rendit féconde, tandis que Rachel demeurait stérile.
Gen / Jen 29.32 And Leah conceived, and bare a son, and she called his name Reuben: for she said, Surely the Lord hath looked upon my affliction; now therefore my husband will love me. Dia nanan' anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian' ny vadiko aho. Dia nanana anaka Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: Nitsinjo ny fahoriako Iaveh ka ho tian' ny vadiko aho ankehitriny. Léa conçut et elle enfanta un fils qu' elle appela Ruben, car, dit-elle, Yahvé a vu ma détresse; maintenant mon mari m' aimera .
...............
Gen / Jen 30.9 When Leah saw that she had left bearing, she took Zilpah her maid, and gave her Jacob to wife. Ary rehefa hitan' i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an' i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin' i Jakoba koa. Rahefa hitan' i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy Zelfa ankizivaviny ka nomeny ho vadin' i Jakoba. Léa, voyant qu' elle avait cessé d' avoir des enfants, prit sa servante Zilpa et la donna pour femme à Jacob.
Gen / Jen 30.10 And Zilpah Leah' s maid bare Jacob a son. Ary Zilpa, ankizivavin' i Lea, dia niteraka zazalahy tamin' i Jakoba. Ary nitera-dahy tamin' i Jakoba Zelfa ankizivavin' i Lià. Zilpa, la servante de Léa, enfanta à Jacob un fils.
Gen / Jen 30.11 And Leah said, A troop cometh: and she called his name Gad. Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany. Ka hoy Lià: Manan-jara re aho; dia nataony hoe Gada ny anarany. Léa dit : Par bonne fortune ! et elle l' appela Gad.
Gen / Jen 30.12 And Zilpah Leah' s maid bare Jacob a second son. Ary Zilpa, ankizivavin' i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin' i Jakoba. Fa nitera-dahy fanindroany tamin' i Jakoba indray Zelfa, ankizivavin' i Lià. Zilpa, la servante de Léa, enfanta à Jacob un second fils.
Gen / Jen 30.13 And Leah said, Happy am I, for the daughters will call me blessed: and she called his name Asher. Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon' ny zanakavavin' ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany. Ka hoy Lià: Fahasambarana ho ahy izao; fa hataon' ny zazavavy hoe: sambatra aho. Dia nataony hoe Asera ny anarany. Léa dit : Pour ma félicité ! car les femmes me féliciteront; et elle l' appela Asher.
Gen / Jen 30.14 And Reuben went in the days of wheat harvest, and found mandrakes in the field, and brought them unto his mother Leah. Then Rachel said to Leah, Give me, I pray thee, of thy son' s mandrakes. Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin' ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin' i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin' i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman' ny zanakao. Tamin' ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka Robena, ka nahita mandragora tany an-tsaha, dia nentiny tany amin' i Lià reniny. Ary hoy Rasela tamin' i Lià: Masìna hianao, mba omeo kely amin' ny mandragoran-janakao aho. Étant sorti au temps de la moisson des blés, Ruben trouva dans les champs des pommes d' amour, qu' il apporta à sa mère, Léa. Rachel dit à Léa : Donne-moi, s' il te plaît, des pommes d' amour de ton fils,
...............
Gen / Jen 30.16 And Jacob came out of the field in the evening, and Leah went out to meet him, and said, Thou must come in unto me; for surely I have hired thee with my son' s mandrakes. And he lay with her that night. Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman' ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin' iny alina iny. Nony hariva inty tonga avy any an-tsaha Jakoba, ka nivoaka nitsena azy Lià, nanao hoe: Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako hianao. Dia nandry taminy izy ny alin' izay. Lorsque Jacob revint des champs le soir, Léa sortit à sa rencontre et lui dit : Il faut que tu viennes vers moi, car je t' ai pris à gages pour les pommes d' amour de mon fils, et il coucha avec elle cette nuit-là.
Gen / Jen 30.17 And God hearkened unto Leah, and she conceived, and bare Jacob the fifth son. Ary Andriamanitra nihaino an' i Lea, dia nanan' anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin' i Jakoba. Ary nihaino an' i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin' i Jakoba; Dieu exauça Léa, elle conçut et elle enfanta à Jacob un cinquième fils;
Gen / Jen 30.18 And Leah said, God hath given me my hire, because I have given my maiden to my husband: and she called his name Issachar. Ary hoy Lea: Efa nomen' Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin' ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany. ka hoy Lià: Nomen' Andriamanitra ny karamako aho tamin' ny nanomezako ny ankizivaviko ho an' ny vadiko. Dia nataony hoe Isakara ny anarany. Léa dit : Dieu m' a donné mon salaire, pour avoir donné ma servante à mon mari; et elle l' appela Issachar.
Gen / Jen 30.19 And Leah conceived again, and bare Jacob the sixth son. Dia nanan' anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin' i Jakoba. Mbola nanana anaka koa Lià sy nitera-dahy fanineniny tamin' i Jakoba, Léa conçut encore et elle enfanta à Jacob un sixième fils.
Gen / Jen 30.20 And Leah said, God hath endued me with a good dowry; now will my husband dwell with me, because I have born him six sons: and she called his name Zebulun. Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin' izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany. ka nanao hoe: Nomen' Andriamanitra anjara soa aho; amin' izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho. Dia nataony hoe Zabolòna ny anarany. Léa dit : Dieu m' a fait un beau présent, cette fois mon mari m' honorera, car je lui ai donné six fils; et elle l' appela Zabulon.
...............
Gen / Jen 31.4 And Jacob sent and called Rachel and Leah to the field unto his flock, Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin' ny ondry aman' osiny Ka dia nampilaza tamin-dRasela sy Lià izy hankany aminy any an-tsaha, tany amin' ny biby fiompy. Jacob fit appeler Rachel et Léa aux champs où étaient ses troupeaux,
...............
Gen / Jen 31.14 And Rachel and Leah answered and said unto him, Is there yet any portion or inheritance for us in our father' s house? Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon' ny rainay? Dia namaly Rasela sy Lià, ka nanao hoe: Inona intsony moa no anjara sy lova ho anay ao an-tranon-drainay? Rachel et Léa lui répondirent ainsi : Avons-nous encore une part et un héritage dans la maison de notre père ?
...............
Gen / Jen 31.33 And Laban went into Jacob' s tent, and into Leah' s tent, and into the two maidservants' tents; but he found them not. Then went he out of Leah' s tent, and entered into Rachel' s tent. Ary Labana niditra tao an-dain' i Jakoba sy tao an-dain' i Lea ary tao an-dain' ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain' i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely. Dia nidiran' i Labana ny lain' i Jakoba sy ny lain' i Lià, ary ny an' ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain' i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela. Laban alla chercher dans la tente de Jacob, puis dans la tente de Léa, puis dans la tente des deux servantes, et il ne trouva rien. Il sortit de la tente de Léa et entra dans celle de Rachel.
Gen / Jen 33.1 And Jacob lifted up his eyes, and looked, and, behold, Esau came, and with him four hundred men. And he divided the children unto Leah, and unto Rachel, and unto the two handmaids. Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin' i Lea sy Rahely ary ho amin' ny ankizivavy roa. Ary natopin' i Jakoba ny masony, ka indro tamy Esao omban' olona efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin' i Lià sy ho amin' i Rasela ary ho amin' ny ankizivavy roa. Jacob levant les yeux, vit qu'Ésaü arrivait accompagné de quatre cents hommes. Alors, il répartit les enfants entre Léa, Rachel et les deux servantes,
Gen / Jen 33.2 And he put the handmaids and their children foremost, and Leah and her children after, and Rachel and Joseph hindermost. Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana. Ny ankizivavy sy ny zanany no nanarakaraka; Rasela sy Josefa no vody làlana; il mit en tête les servantes et leurs enfants, plus loin Léa et ses enfants, plus loin Rachel et Joseph.
...............
Gen / Jen 33.7 And Leah also with her children came near, and bowed themselves: and after came Joseph near and Rachel, and they bowed themselves. Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka. nanatona koa Lià sy ny zanany, ka niankohoka; farany, nanantona Josefa sy Rasela ka niankohoka. Léa s' approcha elle aussi avec ses enfants et ils se prosternèrent; enfin Rachel et Joseph s' approchèrent et se prosternèrent.
Gen / Jen 34.1 And Dinah the daughter of Leah, which she bare unto Jacob, went out to see the daughters of the land. Dia nivoaka Dina, zanakavavin' i Lea, izay naterany tamin' i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany. Ary Dinà zanakavavin' i Lià, naterany tamin' i Jakoba, nivoaka hizaha ny zazavavy tompon-tany. Dina, la fille que Léa avait donnée à Jacob, sortit pour aller voir les filles du pays.
...............
Gen / Jen 35.23 The sons of Leah; Reuben, Jacob' s firstborn, and Simeon, and Levi, and Judah, and Issachar, and Zebulun: Ary ny zanakalahin' i Jakoba dia roa ambin' ny folo mirahalahy: ny zanak' i Lea dia Robena, lahimatoan' i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; Zanak' i Lià: Robena, lahimatoan' i Jakoba, Simeona, Levì, Jodà, Isakara ary Zabolona. Les fils de Léa : le premier-né de Jacob, Ruben, puis Siméon, Lévi, Juda, Issachar et Zabulon.
...............
Gen / Jen 35.26 And the sons of Zilpah, Leah' s handmaid: Gad, and Asher: these are the sons of Jacob, which were born to him in Padanaram. ary ny zanak' i Zilpa, ankizivavin' i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin' i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. Zanak' i Zelfah, ankizivavin' i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin' i Jakoba, naterany tany Padan-Arama. Les fils de Zilpa, la servante de Léa : Gad et Asher. Tels sont les fils qui furent enfantés à Jacob en Paddân-Aram.
...............
Gen / Jen 46.15 These be the sons of Leah, which she bare unto Jacob in Padanaram, with his daughter Dinah: all the souls of his sons and his daughters were thirty and three. lreo no zanakalahin' i Lea izay naterany tamin' i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan' ny zananilahy rehetra mbamin' ny zananivavy dia telo amby telo-polo. Ireo no zanakalahin' i Lià, naterany tamin' i Jakoba tany Padana-Arama, ary Dinà no zanany vavy. Telo amby telopolo no isan' ny zanany lahy rehetra mbamin' ny zanany vavy. Tels sont les fils que Léa avait enfantés à Jacob en Paddân-Aram, en plus sa fille Dina, en tout fils et filles, trente-trois personnes.
...............
Gen / Jen 46.18 These are the sons of Zilpah, whom Laban gave to Leah his daughter, and these she bare unto Jacob, even sixteen souls. Ireo no zanak' i Zilpa, izay nomen' i Labana an' i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin' i Jakoba, dia enina ambin' ny folo izy. Ireo no zanakalahin' i Zelfah, ankizivavy nomen' i Labàna an' i Lià, zanany vavy, ireo no naterany tamin' i Jakoba. Enina ambin' ny folo izy. Tels sont les fils de Zilpa, donnée par Laban à sa fille Léa; elle enfanta ceux-là à Jacob, seize personnes.
...............
Gen / Jen 49.31 There they buried Abraham and Sarah his wife; there they buried Isaac and Rebekah his wife; and there I buried Leah. Tao no nandevenany an' i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an' Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an' i Lea, Tao no nandevenana an' i Abrahama sy Sarà vadiny. Tao no nandevenana an' Isaaka sy Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an' i Lià. Là furent ensevelis Abraham et sa femme Sara, là furent ensevelis Isaac et sa femme Rébecca, là j' ai enseveli Léa.

  Ruth Rota Rota Livre de Ruth
...............
Rot Rt 4.11 And all the people that were in the gate, and the elders, said, We are witnesses. The Lord make the woman that is come into thine house like Rachel and like Leah, which two did build the house of Israel: and do thou worthily in Ephratah, and be famous in Bethlehem: Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin' ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon' i Jehovah tahaka an' i Rahely sy tahaka an' i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon' ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao; Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin' ny loholona: Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon' ny Tompo tahaka an-dRasely sy Lià ny vehivavy izay miditra ao amin' ny tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon' Israely. Ary hianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka hianao hampanan-daza ny anaranao any Betleema. Tout le peuple qui se trouvait à la porte répondit : " Nous en sommes témoins ", et les anciens répondirent : " Que Yahvé rende la femme qui va entrer dans ta maison semblable à Rachel et à Léa qui, à elles deux, ont édifié la maison d' Israël. Deviens puissant en Ephrata et fais-toi un nom dans Bethléem.