|
|
|
|

Entry (1/2)1  andriamanitra
Part of speech  2  noun
Explanations in English  3  a god (sometimes used of the ancestors) [1.7]
Explanations in French  4  dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure [1.3]
5  un dieu (se dit parfois des ancêtres) [1.8]
Examples  6  Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. [2.293]
Vocabulary  7  Religions, Beliefs
Compound words 

Entry (2/2)9  Andriamanitra
Part of speech  10  name (biblical)
Explanations in Malagasy  11  Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy
12  Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa:
13 
a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy
14 
b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona
15 
d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona
16 
e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona
17 
f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana
18 
g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy
19 
h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha
20  Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra
21  Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano [1.1]
Explanations in English  22  God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary [1.2]
23  God [1.7]
Explanations in French  24  Dieu [1.3, 1.8, 1.5]
25  Le Créateur [1.3]
Examples  26  Fa maninona re izahay, andriamanitra, no dia nidiran-doza toy itony! [2.324]
27  Hafahafa ihany ny soratr' aretiny ary tsy fantatra rahateo izay sitrapon' andriamanitra. [2.470]
Vocabulary  28  Holy Scriptures
Morphology 
29  Simple :
Compound words 
Proverbs  35  Proverbs containing the word Andriamanitra
Biblical quotes  36  Chapters and verses mentioning Andriamanitra
Tables and plates  37  Full list
Article  38  Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Andriamanitra

Updated on 2023/08/02