Entry | sorohitra | |||
Part of speech | noun | |||
Explanations in Malagasy | Voronkely vasobaso-bolo fahita eny an-tsaha rehetra eny, saingy tsy mianika eny ambony hazo (halavany eo amin' ny 15-20 sm). Mazàna ny sorohitra no mitsindrotsindroka eny amin' ny arabe eny manidintsidina eo alohan' ny mpandeha ohatra ny mitaridalana azy [1.1] | |||
Explanations in French | Alouette [1.54] | |||
Examples | Fantatr' I Lidy ny hamangan' ny rivotra eny aminy, ny vohitra sy ny lohasaha manoloana ny tanànany, ny vahilava sy ny tamboho manodidina, ny hitsin-dalana rehetra fitsoriahan' ny sorohitra sy ny bibilava, ny toerana fiandrasana omby sy ny fandrorisana ahitra...
[2.470] | |||
Vocabulary | Zoology: birds | |||
Synonyms | iboria | |||
Compound words |
| |||
Proverbs | Proverbs containing the word sorohitra | |||
Updated on 2020/07/31 |