Text |
Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana…
Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany…
Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana…
Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !
Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao
Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !
Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny,
Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !
|
|