|
|
|
|

Entry1  tsilaolao
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly: Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an' ny ankizivavy kely
Kilalao amin' ny hevitra an' ohatra: Tian' ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny"
(Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao. Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Lalao tian' ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian' ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: enti-milaza kilalao madinika na lalao amin' ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony)
Examples  4  izay olona te hizaha tsilaolao tsara izao andro anaovany Kelimalaza kilalao [2.48]
Vocabulary  5  Game

Updated on 2024/12/07