Explanations in Malagasy |
4 Fandroritana, fisintonana: Naharary ahy ny fitarihany ahy tamin' ny sandriko
5 Fanaovana izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena: Fitarihan' ny soavaly ny kalesy
6 Fitondrana: Eto no manomboka ny fitarihana ny rano ho ao an-tanàna
7 Fanoroana lalana: Fitarihana olona any anaty ala
8 Fitaomana: Ikezaho ny fitarihana ny namana ho amin' ny tsara
9 Fanaingana, fanentanana: Anao ny fitarihana ny fivavahana anio
10 Fibaikoana: Nomena ny Kolonely ny fitarihana ny tafika [1.1]
|