|
|
|
|

Entry (1/2)1  fiadanana
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.10#F.458] ankehitriny izy eo amin' ny raharaham-pirenena sy vahoaka dia ampiasain' ny olona hitovy hevitra amin' ny hoe fihavanana na fandriampahalemana na ny toetry ny tany sy ny vahoaka mandryfeizay : tsy misy fikorontanana na ady ; mizotra milamina tsara ny fiainan' ny vahoaka, satria ny mpitondra dia sady hendry no marina : tsy misy mampahory vahoaka mba hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany ; izay hahasoa ny ambanilanitra no zava-dehibe imasoany. Ny vahoaka koa, noho izany, dia finaritra, ka mankato an-kafaliana sady tena miara-miasa amin' ny mpitondra. Tamin' ny faha-Andrianampoinimerina indrindra no nampiharihary izany teto : tamin' izay no nisehoan' ny firenenana hoe mandryfahalemana (azo atoriana amim-piadanana na amin' ny alina maizina aza), rahefa voavoriny tsara Imerina Enim-toko. Eo amin' ny fahampian' ny hanina koa no mampiadana ny vahoaka rahefa ny mpitondra no mikarakara azy tanteraka ho an' ny olona, araka ny tenin' Andrianampoina mandrakariva hoe : "Izaho sy ny vary dia iray ihany".
Explanations in English  4  [1.2] slowness, composure, tranquility, happiness, prosperity.
5  [1.7] peace, tranquillity
Explanations in French  6  [1.3] La lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc.
7  [1.3#2] la lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc.
8  [1.8] paix, tranquillité
Examples  9  [2.499] Hitondra fiadanana ho anao aho.
10  [2.996] Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa
11  [1.3#2>Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux)] Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux)
12  [1.3#2>Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité)] Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité)
Vocabulary  13  Emotions
Root  14  adana
Toponyms 
Titles  16  Orimbaton' ny Fiadanana (Andrianjafy Michel)
Proverbs  17  Proverbs containing the word fiadanana

Entry (2/2)18  Fiadanana
Part of speech  19  name (toponym) [Full list]
Vocabulary  20  Geography: towns
Elementary words  21  fiadanana

Anagrams  22  andafiana, fanadiana, fiadanana, Fiadanana

Updated on 2025/04/13